zay fa tonga @zay

Nampidirin'i hery601 | 5 Apr, 2008

kaiza kaiza  daôly!!!

zay fa tonga avy any isalo zaay. tena nilay be ny tany ny vôndalana misy fa ny safira no tsisy (lol) de nanao aôna ny fetin'ny ze nijanona tao an-trano??? (hihihihihihihih) ne nay alou de tena nilay mihintsy ny tao @ piscine no tena nisy fafiny satry rééfa katry de tonga de nijoroboka tao an-drano fa tsy ratsy kou le nianik any le voiitra fa saingy napataoutra satria nisy ray t@nay katry be de tsy afaka nitazona dé saïka nejera tany ambany.

ny sary koa bobaka fa mbôla miandry kely ouany zé té aïta azy.

zay alou fa ty misy sary ray mba ouentina mamalifaly ny akama zé mba malaïndaïna @zao andro zao.tous ce que j'aime


3 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "zay fa tonga @zay"

  1. tafaverina soa aman-tsara re ! Dia rehefa vita moa ny fialan-tsasatra ka mba misy fotoana kely ingahy dia misy kilalao izay naposak'i lapino any, sao mba mahasoa fa jerijereo any amin'ny pejin'ny namana rehetra any : pissoa, hery, tsikisariaka, ikalamako, lalasoa, sy ireo namana mpisera eto. "Aza ampijaliana ny tenintsika" no hevi-dehibe ijoroan'ny lalao ka asa raha mba manintona an'ise. Na raha hanao toa an'i sipagasy fotsiny koa hoe handray anjara amin'ny famakiana. Lahatsoratra navoakako tato. moa no nahatonga azy io ka misaotra raha misy zotom-po handray anjara.
    Dia miandry ilay sary avy Isalo izahay, asa raha misy sarin'i kitjo re !

    Nampidirin'i ikalamako 05 Apr 2008, 20:37
  2. Izay fa tonga avy tany Isalo izahay. Tena nilay be ny tany; ny voan-dàlana misy fa ny safira no tsisy (lol). Dia nanao ahoana ny fetin'izay nijanona tao an-trano??? (hihihihihihihihi). Ny anay aloha dia tena nilay mihitsy; ny tao amin'ny "piscine" (dobo filomanosana) no tena nisy fafiny (fahafinaretana) satria rehefa katry dia tonga dia nijoroboka tao anaty rano. Fa tsy ratsy koa ilay nihanika an'ilay vohitra fa saingy nampatahotra satria nisy iray taminay katry ka dia tsy afaka nitazona dia saika nianjera tany ambany.

    Ny sary koa bobaka fa mbola miandry kely ho an'izay te hahita azy.

    Izay aloha fa inty misy sary iray mba hoentina mamalifaly ny akama izay mba malaindaina amin'izao andro izao.

    Nampidirin'i
    DotMG 07 Apr 2008, 08:43
  3. (Toy io voalohany io rehefa tsy dia ampijaliana loatra ny tenintsika, toy ity manaraka ity kosa rehefa andrianina be loatra mihitsy.)

    Izay fa tonga avy tany Isalo izahay. Tena nahafinaritra be ny tany; ny voan-dàlana misy fa ny safira no tsisy (lol). Dia nanao ahoana ny fetin'izay nijanona tao an-trano??? (hihihihihihihihi). Ny anay aloha dia tena nahafinaritra mihitsy; ny tao amin'ny dobo filomanosana no tena nisy fahafinaretana satria tonga dia nijoroboka tao anaty rano rehefa mamo. Fa tsy ratsy koa ilay nihanika an'ilay vohitra iray izay; saingy nampatahotra satria nisy anankiray taminay mamo ka tsy afaka nitazona, ary saika nianjera tany ambany.

    Ny sary koa marobe fa mba mahandrasa kely izay te hahita azy.

    Izay aloha fa inty misy sary iray mba hoentina mamalifaly ny namana izay mba malaindaina amin'izao andro izao.

    Nampidirin'i DotMG 07 Apr 2008, 08:50